Ecole 42
Novambra 2025
Nandritra ny “Novembre bleu”, dia nanao fanentanana momba ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina ho an'ny mpianatra tao amin'ny Ecole 42 ny Hygeia Medical. Nasongadin'ny tao ny fiantraikan'ny paraky, toaka ary ny rongony amin’ny fananahana sy ny fiterahana. Ny tanjona dia ny hanome fampahalalana azo antoka, mora azo ary fisorohana ho an'ny tanora mba hanampiana azy ireo hanao safidy ara-pahasalamana tsara kokoa. Nahafinaritra sady nisy fifanakalozan-kevitra izahay tamin'ny fiarovana ny fahasalamana ara-pananahana, izany dia mampiseho ny fanoloran-tenan'ny Hygeia Medical hampiroborobo ny fahasalaman'ny tanora eto Madagasikara.